36 lines
1.7 KiB
Markdown
36 lines
1.7 KiB
Markdown
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
|
|
|
|
Miresaka amin'ireo vahoakan'i Joda amin'ny endrika hai-kanto Isaia. Manohy mamaritra izay hitranga amin'ny andron'i Yaveh Tompon'ny maro izy (2:12).
|
|
|
|
# trandraka sy ramanavy
|
|
|
|
Ny trandraka dia biby madinika izay mihady lavaka ary mipetraka any ambany tany. Ny ramanavy indray dia biby madinika manidina izay mipetraka anaty laza-bato matetika. DH: "ho an'ny biby"
|
|
|
|
# lavaka eo amin'ny vato ... tsefatsefaky ny harambato
|
|
|
|
Raha tsy manana teny roa samihafa ilazana ny lavaka eo amin'ny vato sy "harambato", ilay elanelana eo amin'ny vato roa rehefa mitriatra izany, ny fiteninao dia azonao akambana ho andian-teny iray ihany ireo andian-teny roa ireo.
|
|
|
|
# lavitry ny horohoro an'i Yaveh
|
|
|
|
satria matahotra mafy an'i Yaveh izy ireo. Adikao araka ny ao amin'ny 2:17.
|
|
|
|
# voninahitry ny fiandrianany
|
|
|
|
"ny hatsarana sy heriny lehibe amin'ny maha-mpanjaka Azy" na "ny famirapiratany amin'ny maha-mpanjaka Azy." Adikao araka ny ao amin'ny2:9.
|
|
|
|
# rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy
|
|
|
|
"rehefa mihetsika Yaveh ka mahatonga ny olona ety an-tany hatahotra Azy mafy." Adikao araka ny ao amin'ny 2:17.
|
|
|
|
# izay eo amin'ny vavorony ny fofon'ainy
|
|
|
|
Ny orona dia malemy ary ny vavorona dia tsy mahafatifaty, koa ny orona dia ilazana ny olona izay osa. DH: "izay osa ka ho faty" na "izay mila fofonaina ao amin'ny orony mba ho velona"
|
|
|
|
# vavorony
|
|
|
|
ireo lavaka eo amin'ny orona izay hiainan'ny olona
|
|
|
|
# fa inona no afaka hanampiany?
|
|
|
|
Mampiasa fanontaniana Isaia mba hampatsiahivana ny olona ny zavatra izay tokony efa ho fantany. Io fanontaniana io dia azo adika ho fanambarana tsotra. DH: "fa tsy hanampy na inona na inona ny olona!" na "fa tsy misy dikany ny olona"
|