32 lines
1.8 KiB
Markdown
32 lines
1.8 KiB
Markdown
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
|
|
|
|
Milaza ny tenin'i Yaveh amin'ny vahoakan'i Joda amin'ny endrika hai-kanto Isaia.
|
|
|
|
# Indrisy ... ilay tanàna mahatoky
|
|
|
|
Io fehezanteny fanairana io dia manmpiseho ny fahatezeran'Isaia sy ny alahelony momba ireo olon'i Jerosalema. DH: "Indrisy mny vahoakan'i Jerosalema, izay nahatoky tamin'Andriamanitra"
|
|
|
|
# tonga janga
|
|
|
|
Mampitaha ny olona amin'ny vehivavy izay mivadika amin'ny vadiny fa miara-mandry amin'ny lehilahy hafa hahazoana vola Isaia. Tsy nahatoky tamin'Andriamanitra intsony ny vahoaka fa nanompo andriamanitra sandoka. DH: "manao tahaka ny mpivaro-tena"
|
|
|
|
# Izy izay feno rariny
|
|
|
|
Ny teny hoe "izy" dia manondro an'i Jerosalema sy ny vahoakany. Ireo izay nanoratra ny Baiboly matetika dia maneho ireo tanàna ho toy ny vehivavy. DH: "Feno rariny ary nanao ny marina ny vahoakan'i Jerosalema"
|
|
|
|
# fa ankehitriny kosa izy feno mpamono olona
|
|
|
|
Ny teny hoe "izy" dia manondro an'i Jerosalema sy ny vahoakany. Ireo izay nanoratra ny Baiboly matetika dia naneho ireo tanàna ho toy ny vehivavy. DH: "fa ankehitriny kosa dia mpamono olona ny vahoakan'i Jerosalema"
|
|
|
|
# Niova ho tain-drendrika ny volafotsinareo, miharo rano ny divainareo
|
|
|
|
Ireo mety ho heviny dia mampiasa ny volafotsy sy ny divay ho sarinteny Isaia 1) Ny vahoakan'i Jerosalema. DH: "Ianareo dia tahaka ny volafotsy izay tsy madio intsony, ary tahaka ny divay izay miharo rano," na 2) ireo asa tsara izay nataon'ireo olona teo aloha. DH: "Efa nanao asa tsara ianareo, saingy ankehitriny dia mahatonga ny asanareo ho tsy misy lanjany ny asa ratsinareo."
|
|
|
|
# tain-drendrika ... volafotsinareo
|
|
|
|
Mila manadio ny volafotsy matetika ny olona raha tsy izany dia tsy hangirana intsony izany.
|
|
|
|
# rano ... divainareo
|
|
|
|
Ny divay misy rano dia tsy misy tsirony tsara ary noho izany dia tsy tsara noho ny rano izany.
|