1.2 KiB
Nivoaka avy tao amin'ny Lakan-dranon'i Ahava izahay
"Niala teo amin'ny Lakan-drano Ahava izahay" na "Nanomboka nandeha niala teo amin'ny Lakan-drano Ahava izahay"
Lakan-dranon'i Ahava
Io dia anarana lakan-drano izay mikoriana any amin'ny toerana antsoina hoe Ahava. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 8:21.
tamin'ny andro faharoa ambin'ny folon'ny volana voalohany
Io dia volana voalohany amin'ny tetiandro Hebreo. Ny andro faharoa ambin'ny folo dia akaikin'ny faran'ny Martsa amin'ny tetiandro Tandrefana.
Teo aminay ny tanan'ny Andriamanitray
Ny tanan'Andriamanitra eo amin'ny olona dia sarinteny hilazana ny fanampian'Andriamanitra ny olona. DH: "Nanampy anay Andriamanitra"
niaro anay tamin'ny tanan'ny fahavalo sy ireo...teny an-dalana Izy
Ny tanana dia manambara izay mety ataon'ireo olona ireo. Io dia manondro manokana ireo izay nanafika ny vondrona izay nandeha. DH: "niaro anay tamin'ny fanafihan'ny fahavalo sy ireo izay te hanafika tampoka anay teny an-dalana Izy" na "Tsy navelany hanafika anay ny fahavalo ary tsy navelany hanafika tampoka anay teny an-dalàna ireo mpandroba"
ireo olona izay naniry ny hanafika anay tampoka
Io dia manondro ireo jiolahy sy ireo mpandroba izay te hanafika azy ireo noho ny fananan'izy ireo.