plt_tn/ezr/06/21.md

1.3 KiB

nanasaraka ny tenany tamin'ny fahalotoan'ny vahoakan'ny tany

Ny fanasarahana ny tenan'izy ireo amin'ny fahalotoana dia manambara ny fandavana ny hanao ireo zavatra izay mandoto ny olona. DH: "Nandà ny hanao ireo zavatra izay nataon'ny mponin'ny tany izay nandoto azy izy ireo"

ny fahalotoan'ny vahoakan'ny tany

Eto ny hoe "fahalotoana" dia manambara izay tsy eken'Andriamanitra. DH: "ireo zavatra izay nataon'ny mponin'ny tany izay nahatonga azy ireo tsy eken'Andriamanitra"

nitady an'i Yaveh

Ny fitadiavana an'i Yaveh dia manambara ny fisafidianana ny hahafantatra, ny hanompo, ary ny hankatoa Azy. DH: "nifidy ny hankatoa an'i Yaveh"

nanova ny fon'ny mpanjakan'i Asyria

Ny fanovana ny fon'ny mpanjaka dia manambara ny fanaovana azy hieritreritra hafa momba ny asan'ny tempoly. DH: "nanova ny toe-tsain'ny mpanjakan'i Asyria" na "nahatonga ny mpanjakan'i Asyria te"

mba hampatanjaka ny tanan'izy ireo tamin'ny asan'ny tranony

Ny fanatanjahana ny tanan'izy ireo amin'ny asa dia manambara ny fanampiana azy ireo mba hiasa. Nanao izany tamin'ny filazana azy ireo mba hanao ny asa sy hamatsy vola ho an'izany ny mpanjaka Asyriana. DH: "mba hanampiana azy ireo hanao ny asa hanaovana ny tranony" na "mba hahatonga ny asa hanaovana ny tranony ho hain'izy ireo hatao"

ny asan'ny tranony

Io dia manondro ny fananganana ny tempoly.