plt_tn/ezk/01/01.md

1.5 KiB

Tamin'ny taona fahatelopolo

Ny fahatelopolo taona niainan'i Ezekiela ity.

ny volana fahefatra, ary andro fahadimin'ny volana

"andro fahadimin'ny volana fahefatra." Ity no volana fahefatra amin'ny tetiandro Hebreo. Ny andro fahadimy dia manodidina ny faran'ny Jona amin'ny tetiandro tandrefana.

dia izao no nitranga

Ity fehezanteny ity nampiasaina mba hanamarihana tranga manan-danja ao amin'ilay tantara. Raha toa ny fiteninao ka manana fomba hanaovana izany, dia ampiasao eto izany.

nonina teo amin'ireo babo aho

Ny teny hoe "aho" dia maneho an'i Ezekiela. "Iray tamin'ireo babo aho"

nahita ny fahitan'Andriamanitra aho

"Nampisehoan'Andriamanitra zavatra tsy mahazatra aho"

tamin'ny taona fahadimy nanaovana sesi-tany an'i Joiakima Mpanjaka

Ao amin'ilay boky, Ezekiela dia hitondra an'ireo faminaniany mifototra amin'ny fotoana naneren'ireo Babyloniana an'i Joiakima mba handao an'i Jerosalema.

tamin'i Ezekiela ... teo aminy tao

Ezekiela dia miteny ny tenany toy ny hoe olona hafa izy. DH: "tamiko, Ezekiela ... teo amiko tao"

Bozy

Anarana lehilahy.

Lakan-drano Kebara

Ity dia renirano izay nohadian'ny Kaldea mba hanome rano ho an'ny sahan'izy ireo. "ny renirano Kebara"

ny tanan'i Yaveh dia teo aminy tao.

Ny teny hoe "tanana" matetika dia ampiasaina hanehoana ny fahefana na hetsiky ny olona iray. Olona mametraka ny tanany eo amin'ny olona iray hafa dia manana fahefana amin'izany olona iray hafa izany. DH: "nifehy azy Yaveh"

Yaveh

Ity no anaran'Andriamanitra izay nambarany tamin'ny vahoaka tao amin'ny Testamenta Taloha.