plt_tn/eph/06/17.md

1.0 KiB

Ary raiso ny aro-lohan'ny famonjena

Ny famonjena nomen'Andriamanitra dia miaro ny sain'ny mpino tahaka ny aro-loha miaro ny lohan'ny miaramila.

ny sabatry ny Fanahy, izay tenin'Andriamanitra

Ny tenin'Andriamanitra, avy tamin'ny Fanahy Masina, dia ampiasaina mba hiadiana manohitra sy hiarovana ny mpino amin'ny devoly tahaka ny miaramila mampiasa ny sabatrany mba hiadiana sy hiarovana amin'ny fanafihan'ny fahavalo.

Amin'ny vavaka sy fangatahana rehetra, dia mivavaha amin'ny Fanahy amin'ny fotoana rehetra

"Mivavaha amin'ny Fanahy amin'ny fotoana rehetra raha mivavaka sy manao fangatahana miavaka ianareo''

Amin'izany fomba fisainana izany

''Mba afaka hivavaka tahaka izany ianareo." Ity dia maneho ny toe-tsaina amin'ny fangalana ny fiarovan'Andriamanitra.

miambena hatrany amin'ny faharetana rehetra, raha manolotra vavaka ho an'ireo olo-masin'Andriamanitra ianareo

"Miareta amin'ny fiambenana, ary mivavaha ho an'ny olo-masin'Andriamanitra rehetra'' na "mivavaha amin'ny fiambenana maharitra ho an'ireo mpino rehetra''