plt_tn/eph/06/14.md

1.5 KiB

Mijoroa, noho izany

Ny teny hoe ''mijoroa'' dia maneho ny fanoherana tsara na fiadiana zavatra. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 6:12. ''Noho izany tohero ny ratsy''

ny fehikibon'ny fahamarinana

Ny marina dia mihazona ny zavatra rehetra hiaraka ho an'ny mpino toy ny fehikibo mihazona ny akanjon'ny miaramila hiaraka.

fahamarinana ... fahitsiana

Isika dia tokony hahalala ny marina ary miasa amin'ny fomba izay ankasitrahan'Andriamanitra.

ny fiarovan-tratran'ny fahitsiana

Ireo dika azo heverina: 1) ny fanomezana ny fahitsiana dia mandrakotra ny fon'ny mpino toy ny fiarovan-tratra miaro ny tratran'ny miaramila na 2) ny fiainantsika araka ny hitiavan' Andriamanitra antsika, dia manome antsika feon'ny fieritreretana mazava izay miaro ny fontsika toy ny fomba hiarovan'ny fiarovan-tratra ny tratran'ny miaramila.

Ary tahaka ny kiraro ho an'ny tongotrareo, dia hapetaho ny fahavononana hitory ny filazantsaran'ny fihavanana

Toy ny miaramila manao kiraro mba hanome tongotra mafy tsara azy, no tokony hananan'ny mpino fahalalana mafy amin'ny filazantsaran'ny fihavanana mba ho vonona hitory izany.

Amin'ny toe-javatra rehetra dia raiso ny ampingan'ny finoana

Ny mpino dia tokony hampiasa ny finoana izay omen'Andriamanitra ho fiarovana rehefa manafika ny devoly, toy ny miaramila mampiasa ampinga mba hiarovana ny tenany amin'ny fanafihan'ny fahavalo.

zana-tsipika mirehitr'afon'ilay ratsy

Ny fahafihan'ny devoly manohitra ny mpino dia toy ny zana-tsipika mirehitr'afo atifitrin'ny fahavalo eny amin'ny miaramila.