plt_tn/deu/32/39.md

677 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Mosesy manao laha-teny kanto amin'ny vahoakan'Israely.

Izaho, dia Izaho, ihany

"Izaho, tenako" na "Izaho dia Izaho irery." Yaveh dia mamerina ny hoe "Izaho" mba hanamafisana fa Izy irery no Andriamanitra.

manandratra ny tanako ho amin'ny lanitra Aho ary miteny hoe

"manandratra ny tanako ho amin'ny lanitra Aho ary mianiana" na "nanao fianianana Aho." Ny hoe manandratra ny tanana dia famantarana ny fanaovana fianianana.

Satria velona mandrakizay Aho

"Mianiana amin'ny fiainako izay tsy manam-pahataperana Aho." Ity fanambarana ity dia manome antoka ny olona fa izay lazain'Andriamanitra ao amin'ny 32:41-32:42 dia hitranga.