plt_tn/deu/28/40.md

12 lines
645 B
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
Mosesy manohy mamaritra ny ozon'Andriamanitra raha tsy mankato Azy ny olona. Izy dia miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
# nefa tsy hanosotra ny menaka amin'ny tenanao
Ny olona dia manosotra menaka oliva amin'ny tenan'izy ireo mba hahasalama ny oditr'izy ireo.
# ireo hazon'olivanao hanintsana ireo voany
Mety mila manazava tsara ianao fa ilay voa dia mihintsana mialohan'ny fahamasahany. DH: "hanintsana ny voany mialohan'ny fahamasahan'ilay voa ny hazon'oliva" na "ireo oliva dia hihintsana amin'ny hazon'oliva mialohan'ny fahamasahany"