plt_tn/deu/18/09.md

976 B

aza mianatra mandinika ny fahavetavetan'ireo firenena ireo ianao.

Andriamanitra dia mankahala ireo asa ara-pivavahan'ny olona eo amin'ireo firenena manodidina. Raisiny hoe tena ratsy ireo. Eto ny hoe "firenena" dia maneho ireo vahoaka. DH: "aza manao ireo zavatra mahatsiravina izay ataon'ireo vahoaka any amin'ireo firenena hafa"

Tsy tokony hahitana olona

DH: "tsy tokony hisy olona"

mametraka ny zanany lahy na ny zanany vavy anaty afo

"manao sorona ny zanany amin'ny afo eny amin'ny alitara"

na iza na iza mampiasa sikidy ... izay miresaka amin'ireo fanahy

Ireo dia karazan'olona manao ody. Andriamanitra dia nandrara ny karazana ody rehetra. Raha toa ka tsy manana teny ho an'ireo karazan'olona rehetra ireo ianao, dia afaka lazaina amin'ny ankapobeny izany. DH: "izay rehetra manao ody mba hijerena izay hitranga any aoriana, mba hanalàna ozona, na mba hiresahana amin'ireo fanahin'ny olona efa maty"

misikidy

ny fampiasana ody mba hilazana ny ho avy