plt_tn/act/26/15.md

1.1 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Nanohy nanome ny fiarovan-tenany tamin'i Agripa Mpanjaka i Paoly. Ao amin'ireo andininy ireo dia nanohy nanonona ny resaka nataony tamin'ny Tompo izy.

sokafy ny masonareo

Ny fanampiana ny olona hahatakatra ny fahamarinana dia lazaina toy ny hoe olona iray nanampy ara-bakiteny ny olona nanokatra ny masony.

hampitodika azy ireo hiala amin'ny haizina hankany amin'ny fahazavana

Ny fanampiana olona iray hanajanona ny fanao ratsiny ary hanomboka hatoky sy hankato an'Andriamanitra dia voalaza fa toy ny hoe mitarika olona iray avy ao amin'ny toerana maizimaizina ho ao amin'ny fitoeran-jiro ny.

hampitodika azy ireo hiala amin'ny haizina hankany amin'ny fahazavana ary amin'ny herin'ny Satana hankany amin'Andriamanitra

Ny fanampiana olona iray hanajanona ny fankatoavany an'i Satana ary hanombohana ny fankatoavana an 'Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe olona iray no namadika olona iray ary naka azy ireo avy amin'ny toerana iandraiketan'i Satana sy mitondra azy any amin'ilay toerana hanapahan'Andriamanitra.

finoana Ahy

"satria izy ireo dia mino Ahy."Eto i Paul no mamarana ny firesahana momba ny Tompo.