plt_tn/act/17/05.md

1.8 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Eto ny teny hoe "izy ireo" dia manondro ireo Jiosy tsy mpino sy ratsy fanahy avy any an-tsena.

nenti-pialonana

Ny fahatsapana fialonana dia raisina toy ny hoe ny fialonana dia manentana na manetsika ny olona. DH: "mahatsiaro tena ho saro-piaro" na "tena tezitra"

naka ny olona ratsy fanahy

Eto ny "naka" dia tsy midika fa nalain'ireo Jiosy an-kery ireo olona ireo. Midika izany fa nandresy lahatra ireo lehilahy ratsy fanahy ireo ny Jiosy mba hanampy azy ireo.

avy any an-tsena

"avy eny an-kianja malalaka." Izany dia toeram-piasana ho an'ny be sy ny maro , toerana hividianana sy fivarotana ny entana, ny omby, na ny serivisy.

nampitabataba ny tanàna

Eto ny "tanàna" dia manambara ireo olona tao an-tanàna. DH: "nahatonga ny mponina tao an-tanàna ho sahiran-tsaina" na "nahatonga ny mponina tao an-tanàna hikomy"

Nanafika ny trano

Midika izany fa ny vahoaka dia mety nitoraka vato ilay trano ary nanandrana namaky ny varavaran'ilay trano.

Jasona

Io no anaran'ilay lehilahy.

ny rahalahy hafa sasany

Eto ny "rahalahy" dia manondro ireo mpino. DH: "ireo mpino sasany"

anoloan'ny manam-pahefanan'ny tanàna

"teo anatrehan'ny ireo manam-pahefana"

Ireto lehilahy izay

Ireo mpitarika jiosy dia niresaka, ary ny fehezanteny hoe "Ireo lehilahy ireo", dia milaza an'i Paoly sy i Silasy.

nampitsimbadika izao tontolo izao

Ity fehezanteny ity dia fomba iray hafa hilazana fa i Paoly sy Silasy no nahatonga olana tamin'ireo toerana rehetra nalehany. Ireo mpitarika jiosy dia nanitatra ny hery nananan'i Paoly sy Silasy tamin'ny fampianarany. DH: "niteraka fahasahiranana na aiza na aiza teto amin'izao tontolo izao" na "niteraka olana na aiza na aiza nalehany

nampandrosoan'i Jasona

Io fehezanteny io dia milaza fa i Jasona dia nifanaraka tamin'ilay hafatra mampikorontan'ireo apostoly.