plt_tn/act/13/09.md

1.5 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra

i Paul, dia nanomboka niresaka tamin'i Elymasy raha mbola teo amin'ny nosy Pafosy.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Ny teny hoe "izy", ary "ianao" dia manondro an'i Elymasy (antsoina koa hoe BaraJesôsy).

i Saoly, izay antsoina ihany koa hoe Paoly

"Saoly" amin'ny anarany jiosy, ary "Paoly" no anarany romanina. Niresaka tamin'ny manam-pahefana romanina izy, ary nampiasa ny anarany Romanina. DH: "Saoly, izay nantsoiny hoe Paoly"

Ianao ry zanaky ny Devoly

Milaza i Paoly fa manao toy ny devoly ilay lehilahy. DH: "Ianao dia tahaka ny devoly" na "Manao toy ny ataon'ny devoly" ianao

ianao dia feno ny karazam-pitaka sy faharatsiana rehetra

"Ianao dia misarika ireo hafa foana mba hino izay tsy marina amin'ny fampiasana lainga ary ny fanaovana ratsy foana"

Faharatsiana

Amin'izany toe-javatra izany dia midika hoe kamo sy tsy mazoto amin'ny fanarahana ny lalàn'Andriamanitra.

Fahavalon'izay rehetra marina ianao

I Paoly dia nanambatra an'i Elimasy tamin'ny devoly. i Elymasy ihany koa dia tahaka ny devoly izay fahavalon'Andriamanitra ary manohitra ny fahamarinana.

Tsy hijanona ny hamily ny lala-mahitsin'ny Tompo mihitsy ianao, sa tsy izany?

Nampiasa io fanontaniana io i Paoly mba hanakianana ny Elymasy amin'ny fanoherana an'Andriamanitra. DH: "Milaza foana ianao fa diso ny marina momba ny Tompo Andriamanitra!"

ny lala-mahitsin'ny Tompo

Eto ny "lalana mahitsy" dia manondro ireo fomba marina. DH: "ny tena làlan'ny Tompo"