32 lines
1.8 KiB
Markdown
32 lines
1.8 KiB
Markdown
# Abisay
|
|
|
|
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 2:18 ihany io anaran-dehilahy io.
|
|
|
|
# Zeroia
|
|
|
|
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 2:12 ihany io anaran-dehilahy io.
|
|
|
|
# Tsy tokony ho vonoina ve i Simey noho izany, satria nanozona an'ilay voahosotr'i Yaveh izy?
|
|
|
|
Tezitra tamin'i Simey tamin'ny nanozonany an'i Davida i Abisay ary nanoro hevitra fa tokony ho vonoina izy. Io fanontaniana io dia afaka soratana ho fehezanteny. DH: "Tokony hovonoina i Simey satria nanozona ny voahosotr'i Yaveh."
|
|
|
|
# voahosotr'i Yaveh
|
|
|
|
Io dia manondro an'i Davida. Io dia midika fa izy no olona izay nosoran'i Yaveh ho mpanjaka. DH: "ilay olona izay nosoran'i Yaveh ho mpanjaka"
|
|
|
|
# Moa mpifaninona izaho sy ianao...no tokony ho mpanohitra ahy ianareo ankehitriny?
|
|
|
|
Mampiasa io fanontaniana fampisainana io i Davida mba hibedesana an'i Abisay. Io dia afaka soratana ho fehezanteny. DH: "Tsy misy ifandraisana aminao izahay, ry zanak'i Zeroia! Tsy misy antony tsara tokony hahatonga anao ho fahavaloko androany."
|
|
|
|
# Tokony hisy lehilahy ho vonoina ve eto Israely anio? Fa moa tsy fantatro ve fa izaho no mpanjakan'Israely anio?
|
|
|
|
Mampiasa io fanontaniana fampisainana io i Davida mba hibedesana an'i Abisay. Io dia afaka soratana ho fehezanteny. DH: "Tsy misy olona hovonoina ato amin'ny firenen'Israely androany, satria izaho no iray izay mpanjaka manapaka ny Israely rehetra anio."
|
|
|
|
# Tokony hisy lehilahy ho vonoina
|
|
|
|
Io andianteny hoe "ho vonoina" io dia midika hoe halatsaka aina. DH: "Hisy olona ho vonoina ve" na "Ho didiako ho faty avokoa ny olona rehetra"
|
|
|
|
# Fa moa tsy fantatro ve fa izaho no mpanjakan'Israely anio?
|
|
|
|
Ireo mety ho hevin'io fanontaniana fampisainana io dia 1) "Fantatro fa mbola mpanjakan'i Israely aho." (UDB) na 2) "Izaho no iray izay mpanjaka manapaka ny Israely ankehitriny!"
|