20 lines
1.2 KiB
Markdown
20 lines
1.2 KiB
Markdown
# nandrovitra ireo fitafiany i Davida...nanao toy izany koa ireo olona rehetra niaraka taminy
|
|
|
|
Nandrovitra ny fitafiany ho famantarana fa misaona noho ny fahafatesan'i Saoly mpanjaka i Davida sy ireo lehilahiny.
|
|
|
|
# ho an'ireo vahoakan'i Yaveh, ary ho an'ny ankohonan'Israely
|
|
|
|
Midika zavatra mitovy ihany ireo fanambarana roa ireo. Ny teny hoe "ankohonana" dia sarinteny izay manambara ireo taranak'Israely. Nefa, ny "vahoaka" sy ny "ankohonana" dia mety ho fibangoan-teny samy manambara ireo miaramilan'ny Israely avokoa. DH: "ho an'ireo miaramila Israelita"
|
|
|
|
# Yaveh
|
|
|
|
Io dia anaran'Andriamanitra izay nambarany tamin'ny vahoakany tao amin'ny Testamenta Taloha. Jereo ny pejin'ny fandikana ny teny momba an'i Yaveh mahakasika ny fomba handikana izany.
|
|
|
|
# lavo tamin'ny sabatra izy ireo
|
|
|
|
Eto ny hoe "lavo" dia fomba mihaja hanondrona fa hoe novonoina. Ny hoe "sabatra" ihany koa dia manambara ady. DH: "maty an'ady izy ireo" na "novonoin'ireo fahavalo tao an'ady izy ireo" Eto io dia midika hoe ''efa novonoina".
|
|
|
|
# Avy aiza ianao?
|
|
|
|
Efa nambaran'ilay lehilahy fa Amalekita izy tao amin'ny 1:8. Manontany ilay lehilahy mba hanamafisana izany tokoa i Davida noho ny fitsarana matotra izay hotononin'i Davida amin'ilay lehilahy.
|