plt_tn/2pe/02/17.md

2.5 KiB

Ireo olona ireo dia tahaka ny loharano tsy misy rano

Ny loharano miboiboika izay mampanantena famelombelomana ho an'ny olona mangetaheta, fa ny "loharano tsy misy rano" dia handiso fanantenana ny mangetaheta. Mitovy amin'izany, ireo mpampianatra sandoka, na dia nampanantena zavatra maro aza, dia tsy afaka ny hanatanteraka izay nampanantenainy.

Izy ireo dia toy ny rahona entin'ny tafio-drivotra

Rehefa mahita rahona sy tafio-drivotra ny olona, dia manantena orana hilatsaka. Rehefa mitsoka ny rahona ny rivotra avy amin'ny tadio ka manala izany mialohan'ny hilatsahan'ny orana dia diso fanantenana ny olona. Mitovy amin'izany, ireo mpampianatra sandoka, na dia nampanantena zavatra maro aza, dia tsy afaka ny hanatanteraka izay nampanantenainy.

Natokana ho azy ireo ny haizina matevina

Ny teny hoe: "azy ireo" dia manondro ireo mpampianatra sandoka. DH: "Andriamanitra dia nanokana haizina matevina ho azy ireo."

Miteny tsy am-piheverana izy ireo

Izy ireo dia mampiasa teny manaitra nefa tsy misy dikany.

Mitaona ny olona amin'ny alalan'ny filàn'ny nofo izy ireo

Izy ireo dia miantso ny toetra maha-mpanota voajanahary mba hitaomana ny olona amin'ny fitondran-tena tsy mendrika sy fanotana.

olona izay miezaka mandositra ... mampanantena fahafahana ... andevon'ny fahalotoana

Petera dia miresaka mikasika ny olona izay miaina amin'ny ota toy ny hoe andevozin'ny fahotana ka mila afahana amin'ny fahababoana.

Mitaona ny olona izay miezaka mandositra ireo izay miaina amin'ny fahadisoana

Izany andian-teny izany dia manondro ireo olona vao tonga mpino. Ny andian-teny hoe: "ireo izay miaina amin'ny fahadisoana" dia manondro ireo tsy mpino izay mbola miaina amin'ny fahotana. DH: "olona izay miezaka miaina amim-pahamarinana, fa tsy miaina amin'ny ota toy ny mahazatra azy ireo sy tahaka ny fataon'ny hafa."

Izy ireo dia mampanantena fahafahana ho azy ireo, kanefa izy tenany ary dia andevon'ny fahalotoana

"Ireo mpampianatra sandoka dia nampanantena fahafahana ho an'ireo olona ireo, kanefa ireo mpampianatra sandoka ireo aza dia andevon'ny fahalotoana." Ireo mpampianatra sandoka ireo dia nampanantena fa izy ireo dia afaka manampy azy ireo hampitsahatra fahotana, kanefa ireo mpampianatra sandoka ireo dia aza dia mbola tsy mitsahatra amin'ny fahotana.

Fa ny olona dia andevon'izay rehetra maharesy azy

Petera dia miresaka ny olona ho toy ny andevo rehefa misy zavatra mifehy io olona io, ary io zavatra io ho toy ny tompon'ilay olona. DH: "Fa raha misy zavatra mifehy ny olona iray, io olona io dia lasa toy ny andevon'io zavatra io."