950 B
950 B
Azo antoka fa tamin'ny vavan'i Yaveh
Ny dikan-teny sasany dia misy manao hoe: "Azo antoka izany fa nohon'ny fahatezeran'i Yaveh," nalaina tamin'ny lahatsoratra fototra izany. Raha manana teny mahazava kokoa izany amin'ny fiteninao ianao dia azonao atao ny mampiasa izan.
tamin'ny vavan'i Yaveh
Eto ny hoe "vava-" dia ilazana ireo didin'i Yaveh. DH: "araka ny nandidian'i Yaveh"
hanala azy ireo tsy ho eo imasony
"hanaisotra azy ireo" na "handringana azy ireo"
rà tsy manan-tsiny izay nalatsany
Eto ny hoe "rà" dia ilazana ny ain'ny tsy manan-tsiny, ary ny fandatsahan-drà dia sarinteny ilazana ny famonoana ny olona tsy manan-tsiny. DH: "olona tsy manan-tsiny izay novonoiny"
nofenoiny tamin'ny rà tsy manan-tsiny i Jerosalema
Eto ny hoe "rà" dia ilazana ny ain'ny tsy manan-tsiny, ary ny fandatsahan-drà dia sarinteny ilazana ny famonoana ny olona tsy manan-tsiny. DH: "namono olona tsy manan-tsiny maro tao Jerosalema izy"