plt_tn/2ki/22/14.md

1.1 KiB

Holda

Anaram-behivavy izany.

Saloma ... Tikva ... Harasa

Anaran-dehilahy avokoa ireo.

mpikarakara ny fitafiana

Ireo mety ho heiny dia 1) ny olona izay mikarakara ny akanjo izay anaovan'ireo mpisorona ao an-tempoly, na 2) ny olona izay miakarakara ny akanjon'ny mpanjaka.

nipetraka tao Jerosalema tao amin'ny faritra faharoa izy

Eto ny hoe "faritra faharoa" dia ilazana ny faritra vaovao ao amin'ny tanàna izay nahorina any amin'ny ilany avaratr'i Jerosalema. Ary koa, ny hoe "faharoa" dia azo avy amin'ny laharan'isa 2. DH: "nipetraka tao Jerosalema tao amin'ny faritra vaovao ao amin'ny tanàna" na "nipetraka tao amin'ny faritra vaovao ao Jerosalema izy"

ny olona izay nandefa anareo aty amiko hoe

Eto ny hoe "ny olona" dia manondro an'i Josia Mpanjaka.

hitondra loza amin'ity toerana ity sy ireo mponiny

Hahatonga zavatra mahatsiravina hitranga i Yaveh. DH: "hahatonga zavatra mahatsiravina hitranga amin'ity toerana ity sy amin'ireo izay monina ao Aho"

amin'ity toerana ity

Ny tanànan'i Jerosalema izay misolo ny toeran'i Joda manontolo no tiana ho lazaina amin'izany. DH: "amin'i Jerosalema" na "amin'i Joda"