plt_tn/2ki/21/13.md

24 lines
1.0 KiB
Markdown

# Haninjitra ny tady fandrefesana ampiasaina hanoherana an'i Samaria amin'i Jerosalema aho, ary ny pilao fandrefesana ampiasaina hanoherana ny fianakavian'i Ahaba
Ny hoe "tady fandrefesana" sy ny hoe "pilao fandrefesana" dia sarinteny nampiasain'i Yaveh hitsarana ny olona. DH: "hitsara an'i Jerosalema amin'ny fampiasana ny fitaovam-pandrefesana nampiasaiko tamin'izaho nitsara an'i Samaria sy ny ankohonan'i Ahaba aho"
# hanoherana an'i Samaria
Samaria no renivohitry ny tanàna ary ny vahoaka rehetra ao amin'ny fanjakan'Israely no tiana ho lazaina amin'izany. DH: "hanoherana ny vahoakan'Israely"
# pilao fandrefesana
Fitaovana vita amin'ny zavatra mavesatra ary misy tady manify mihazona azy, ampiasaina rehefa manangana rindrina mba hahitana rha mahitsy tsara ny rindrina.
# ny ankohonan'i Ahaba
Eto ny hoe "ankohonana" dia ilazana ny fianakaviana. DH: "ny fianakavian'i Ahaba"
# Hanipy ... aho
"Hilaozako" (UDB) na "holaviko"
# hanome izany ho eo an-tanan'ny fahavalon'izy ireo
"hamela ireo fahavalony handresy azy ireo sy haka ny tanin'izy ireo"