40 lines
1.7 KiB
Markdown
40 lines
1.7 KiB
Markdown
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
|
|
|
|
Nodimandry i Jehorama mpanjakan'i Joda ary nandimby azy i Ahazia zanany lahy.
|
|
|
|
# Ka nikomy nanohitra ny fitsipik'i Joda mandraka ankehitriny i Edoma
|
|
|
|
"Taorian'izay, dia tsy nofehezin'i Joda intsony i Edoma, ary mbola tahaka izany foana izany" (UDB)
|
|
|
|
# ny fitsipik'i Joda
|
|
|
|
Eto ny hoe "Joda" dia ilazana ny mpanjakan'i Joda. DH: "ny fitsipiky ny mpanjakan'i Joda" na "ny fahefan'ny mpanjakan'i Joda"
|
|
|
|
# mandraka ankehitriny
|
|
|
|
Tamin'ny fotoana nanoratana ny boky izany.
|
|
|
|
# Nikomy ihany koa i Libna tamin'io fotoana io
|
|
|
|
Nikomy tamin'ny mpanjakan'i Joda tahaka an'i Edoma ihany koa i Libna. DH: "Nandritra izany fotoana izany ihany, dia nikomy tamin'i mpanjakan'i Joda ihany koa i Libna"
|
|
|
|
# Libna
|
|
|
|
Izany tanàna izany taloha dia anisan'ny tao anatin'ny faritanin'i Joda . Eto ny hoe "Libna" dia ilazana ny olona monina ao. DH: "ny olon'i Libna"
|
|
|
|
# Ary ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Jerohama
|
|
|
|
"Raha hamaky misimisy kokoa mahakasika ny tantaran'i Jehorama sy izay nataony"
|
|
|
|
# moa tsy efa voasoratra ... i Joda ve izany?
|
|
|
|
Izany fanontaniana izany dia napetraka mba ho fampahafantarana na ho fampahatsiahivana ny mpamaky ny andinindininy mahakasika an'i Jehorama. DH: "ireo zavatra ireo dia voasoratra ... Joda." na "azonao vakiana ... Joda ny momba izany."
|
|
|
|
# Maty ary nitsahatra niaraka tamin'ireo razany i Jehorama, ary nalevina niaraka tamin'ireo razany
|
|
|
|
Eto ny hoe "nitsahatra" dia fomba mihaja ilazana ny olona nodimandry. Rehefa maty izy, dia nentina tany amin'ny toerana izay nisy ireo razambeny ny nofo mangatsiakany. DH: "Maty i Jehorama, nalevina niaraka tamin'ireo razambeny izy"
|
|
|
|
# i Ahazia zanany lahy no tonga mpanjaka nandimby toerany
|
|
|
|
"Ary tonga mpanjaka i Ahazia, zanaka lahin'i Jehorama rehefa maty i Jehorama"
|