plt_tn/2ki/06/30.md

1.2 KiB

nandre ireo tenin-dravehivavy

"nandre ilay vehivavy nilaza izay nataony sy ilay vehivavy hafa"

nandriatra ny akanjony izy

Nandriatra ny akanjony ivelany ny mpanjaka mba hanehoany ny ny alahelony. DH: "nandriatra ny akanjony tamin'ny alahelo izy"

ary nandalo teo amin'ny manda izy

Nandeha teo amin'ny amin'ny mandan'ny tanàna izy raha niantso azy ilay vehivavy. DH: "Ary mbola nizotra nanaraka izany izy"

nanana atin'akanjo lamba fisaonana izy, teny an-kodiny

Na dia nanao atin'akanjo aza ny mpanjaka, dia mbola naneho ny halahelony sy ny hatezerany ihany izy. DH: "nanana atin'akanjo manolo-koditra izy tao anatin'ny akanjo ivelany" na "nanao atin'akanjo izy tao anatin'ny akanjony tohitena satria tezitra mafy izy"

Aoka anie Andriamanitra hanao izany amiko, mihoatra noho izany aza

Nanantena ny mpanjaka fa hanafay azy Andriamanitra, eny hamono azy aza raha toa ka tsy maty nohon'ny zavatra izay nitranga tao an-tanànan'i Samari i Elisa. DH: "Aoka anie Andriamanitra hanafay sy hamono ahy"

raha mitoetra ao aminy ny lohan'i Elisa zanak'i Safata anio

Ny fahafatesan'i Elisa no tiana lazaina amin'izany. DH: "Raha toa ka tsy maty anio i Elisa zanak'i Safata" na "Raha toa ka tsy mahafaty an'i Elisa zanak'i Safata anio ireo miaramilako"