plt_tn/2ki/05/20.md

1.4 KiB

Nandeha ... izy

"Nandeha ... Namàna"

Gehazy

Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 4:12 izany anaran-dehilahy izany.

Indro

Nampiasaina izany teny izany mba hisarihana ny sain'ny olona ny amin'izay hitranga manaraka. DH: "Henoy"

efa namindra fo ity Namàna ilay Syriana ity

"namela an'i Namàna ilay Syriana nandeha mora foana"

tamin'ny tsy fandraisana

"tamin'ny tsy fanekena"

teny an-tanany

Eto ny hoe "tanany" dia manondro an'i Namàna ary maneho fa malala-tanana izy. DH: "avy any aminy"

Raha velona koa i Yaveh

"Ary satria velona tokoa i Yaveh." Eto Gehazy dia mampitaha ny fahamarinan'izay efa nataony sy ny fahamarinan'ny fahaveloman'i Yaveh. Izany dia fomba fianianana ampahibemaso. DH: "Raha velona koa i Yaveh, dia mianiana aho"

ireo zanaky ny mpaminany

Izany akory tsy midika hoe zanaka mpaminany izy ireo, fa kosa, anisan'ireo mpaminany izy ireo. Jereo ao amin'ny 2:3 ny fomba nandikanao izany. DH: "anisan'ireo mpaminany"

Miangavy re mba omeo talenta volafotsy iray izy ireo ary akanjo hisoloana roa

Nangataka tamin'i Namàna i Gehazy mba hanome azy ireo zavatra ireo mba hahafahany mitondra ary manome izany an'ireo mpaminany. DH: "Miangavy re mba omeo talenta volafotsy iray sy akanjo hisoloana roa ho azy ireo"

Indro

Nampiasaina izany teny izany mba hisarihana ny sain'ny olona ny amin'izay hitranga manaraka. DH: "Henoy"

talenta volafotsy iray

Azo atao ny mampiasa fandanjana vaovao. DH: "volafotsy 34 kilao"