plt_tn/2ki/05/11.md

1.1 KiB

Indro

Eto izany teny izany dia ampiasaina mba hisarihana ny sain'ny olona ny amin'izay hitranga manaraka. DH: "Henoy"

ny anaran'i Yaveh

Eto dia i Yaveh ihany no lazaina amin'ny hoe "anarana." DH: "Yaveh"

amin'ilay toerana

"amin'ilay faritra misy ilay aretina eo amin'ny hoditra" na "amin'ilay feriko"

Moa i Abana sy Farpara, reniranon'i Damaskosy, tsy tsara kokoa noho ny rano rehetra ao Israely?

Nampiasa izany fanontaniana fampisainana izany i Namàna mba hanasongadinany fa tsara noho i Jordana ny reniranon'i Abana sy Farpara. Azo atao fehezanteny tsotra izany. DH: "Ny Renirano Abana sy Farpara, any amin'ny tany niaviako any Syria dia tsara noho ireo renirano any Israely!"

Abana sy Farpara

Anarana renirano ireo.

Tsy afaka mandro ao amin'ireo ve aho dia hadio?

Nampiasa izany fanontaniana fampisainana izany i Namàna mba hanehoany fa afaka mandro ao amin'ny renirano mora foana izy. Nino izy fa ny fandroana ao amin'ireo toy ny fandroana ao Jordana no hahasitrana azy. Azo atao fehezanteny tsotra izany. DH: "Tokony nandro tao amin'ireo aho ary sitrana!"

lasa an-katezerana

"tezitra mafy izy raha lasa nandeha"