plt_tn/2ki/03/21.md

1.0 KiB

Ary nony

Izany andian-teny izany eto dia mari-pihatoana ao amin'ny fizotry ny tantara. Eto ny mpitantara dia milaza ny fampahafantarana fototra mikasika fiomanan'ny tafika Moabita hifanandrina amin'ireo mpanjaka telo sy ireo tafiny.

ireo rehetra afaka nanao akanjo fiarovana

Eto ny hoe "akanjo fiarovana" dia entina ilazana ireo izay havanana amin'ny ady. DH: "Ireo lehilahy rehetra izay afaka miady"

tonga ... ireo mpanjaka

Eto ny hoe "mpanjaka" dia ilazana ireo mpanjaka sy ireo tafiny. DH: "tonga ... ireo mpanjaka mbamin'ireo tafiny" na "tonga ... ireo mpanjaka sy tafiny"

niloko mena tahaka ny rà izany

Izany dia fampitahana ny endriky ny rano izay miloko mena amin'ny lokon-drà. DH: "Mena toy ny rà"

Koa ankehitriny ary, ry Moaba

"Moaba" no ilazan'ireo miaramila ny tenan'izy ireo. DH: "Miaramilan'i Moaba"

handroba azy ireo

"hangalatra ny fananan'izy ireo." Rehefa maharesy ireo fahavalony ny miaramila, dia matetika izy ireo mandroba ireo tanàna amin'ny fangalarana izay zavatra lafo vidy tavela.