plt_tn/2ki/03/01.md

1.6 KiB

Tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Josafata mpanjakan'i Joda

Izany dia manoritsoritra ny fotoana izay nanombohan'i Jorama nanjaka ary milaza ny fe-potoana izay nanjakan'ny mpanjakan'i Joda tamin'izany fotoana izany. DH: "tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo naha-mpanjakan'i Joda an'i Josafata"

ny taona fahavalo ambin'ny folo

"ny taona faha 18"

Jorama zanaka lahin'i Ahaba

Indraindray io lehilahy io dia atao ihany koa hoe "Jehorama." Eto anefa dia tsy ilay olona antsoina amin'ny anarana hoe "Jehorama" izay voalaza ao amin'ny 1:17 ity olona ity.

Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy

Eto ny hoe "imason'i Yaveh" dia entina ilazana izay fihevitr'i Yaveh. DH: "Nanao izay zavatra nolazain'i Yaveh fa ratsy izy" na "Nanao izay zavatra noheveren'i Yaveh fa ratsy izy"

fa tsy tahaka ny rainy sy ny reniny

Izany dia mampitaha fa ny ratsy izay nataony dia kely noho izay efa maro nataon'ny ray aman-dreniny. DH: "nefa tsy nanao ratsy maro tahaka izay efa nataon'ny rainy sy ny reniny izy" (UDB)

ny tsangam-bato masina an'i Bala

Ny tsangam-bato dia nampiasaina tamin'ny fiderana an'i Bala, na dia izany aza dia tsy fantatra ny mety ho endriky ny tsangam-bato. DH: "ny tsangam-bato fiderana an'i Bala"

nihazona ireo fahotan('i) ... izy

Izany dia fomba fiteny. Eto ny hoe "mihazona" dia midika hoe manohy manao zavatra iray. DH: "nanohy ny fahotan('i) ... izy"

Nebata

Anaran-dehilahy izany.

tsy nivily tamin'izany izy

Ny hoe "mivily" dia fomba fiteny izay midika hoe mitsahatra amin'ny fanao iray. DH: "tsy nitsahatra nanota izy" (UDB) na "nanohy ny fahotany izy"