plt_tn/2ki/02/15.md

1.1 KiB

ireo zanaky ny mpaminany

Izany akory tsy midika hoe zanaka mpaminany izy ireo, fa kosa, anisan'ireo mpaminany izy ireo. Jereo ao amin'ny 2:3 ny fomba nandikanao izany andian-teny izany. DH: "Vondron'olona mpaminany"

niankohoka tamin'ny tany teo anatrehany

Naneho fanajana lalina taminy izy ireo ary nampahafantatra azy fa izy no mpitarik'izy ireo vaovao.

Mitoetra ao amin'i Elisa ny fanahin'i Elia

Eto ny hoe "fanahin'i Elia" dia ilazana ny heriny ara-panahy. Izany dia miresaka ny fananan'i Elisa ilay hery ara-panahy ho toy hoe zavatra azo tsapain-tanana mitoetra ao aminy. DH: "Nanana ny hery ara-panahy izay nananan'i Elia i Elisa" na "Ao amin'i Elisa ankehitriny ilay hery ara-panahy izay nananan'i Elia"

Indro ankehitriny, misy lehilahy mahery dimam-polo eo amin'ireo mpanomponao. Avelao izy ireo handeha

Izy ireo tenany ihany tian'izy ireo hambara raha niteny izy ireo hoe "lehilahy mahery dimampolo." DH: "Indreto ankehitriny, izahay dimampolo lahy ary ankehitriny dia mpanomponao izahay. Avelao azahay handeha"

lehilahy mahery dimampolo

"lehilahy mahery 50"