plt_tn/2ki/01/03.md

1.4 KiB

Yaveh

Izany no anaran'Andriamanitra nambarany tamin'ny vahoakany tao amin'ny Testamenta Taloha. Jereo ny pejin'ny dikan-teny momban'i Yaveh mikasika ny fomba fandikana izany.

Tisbita

Izany no ilazana ny olona avy ao amin'ny tanànan'i Tisba.

Satria ve tsy misy Andriamanitra ao Israely no handeha haka hevitra any amin'i Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona ianao?

Napetraka izany fanontaniana fampisainana izany mba hibedesana azy ireo ny amin'ny nakan'izy ireo hevitra tany amin'i Bala-zeboba. Azo avadika ho fehezanteny tsotra izany. Fanesoana izany satria izy ireo dia mahafantatra tsara an'Andriamanitr'Israely. DH: "Ry adala! Fantatratrareo fa misy an'Andriamanitr'Israely, nefa ianareo dia manao toy ny tsy mahafantatra ka nandefa lehilahy haka hevitra tany amin'i Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona!"

haka hevitra any amin'i Bala-zeboba

Ny teny hoe "maka hevitra" dia midika hoe mangataka hevitra amin'ny olona mikasika ny raharaha iray.

Noho izany dia hoy i Yaveh hoe

Izany no hafatr'i Yaveh tamin'i Ahazia Mpanjaka. DH: "Noho izany dia hoy i Yaveh tamin'i Ahazia Mpanjaka"

Tsy hidina avy eo amin'ny fandrianao izay efa niakaranao ianao

Rehefa naratra i Ahazia Mpanjaka, dia napetraka teo am-pandriana izy. Niteny i Yaveh fa tsy hihatsara mihitsy izy ary tsy ho tafala eo am-pandriany. DH: "Ianao dia tsy ho sitrana ary tsy ho tafatsangana avy eo am-pandrianao izay hitsoranao"