plt_tn/1th/02/07.md

1.3 KiB

Toy ny reny mankahery ny zanany naterany

Toy ny reny mampahery ny zanany, Paoly, Silasy, ary Timoty dia niresaka tamim-pahalemem-panahy tamin'ireo mpino Tesaloniana.

Dia toy izany no nanananay fitiavana ho anareo

"Izany no fomba nanehoanay ny fitiavanay anareo."

Nanana fitiavana ho anareo izahay

"Tia anareo izahay."

Faly izahay mizara aminareo, tsy ny filazantsara an'Andriamanitra ihany

Paoly dia manondro ny hafatry ny filazantsara ho toy ny zavatra izay azon'ny iray zaraina amin'ny hafa. Miteny no tiany lazaina amin'ny hoe "mizara."

Faly izahay mizara aminareo ... ny fiainanay manokana

Paoly dia manondro ny fiainany sy ny namany toy ny hoe zavatra izay afaka zarain'izy ireo amin'ny hafa. Tiany lazaina eto dia ny hoe mandany fotoana sy ezaka amin'ireo mpihaino azy.

Lasa malalanay tokoa ianareo

"Nikarakara lalina anareo izahay."

Rahalahy

Eto izany dia midika hoe Kristiana namana, anisan'izany ny lehilahy sy vehivavy.

Ny asanay sy ny fisasaranay.

Ny teny hoe: "asa" sy "fisasarana" dia midika zavatra mitovy. Paoly dia nampiasa ireo mba hanamafisana ny fiasan'izy ireo mafy. DH: "tena niasa mafy izahay."

Andro aman'alina no niasanay mba tsy ahafahanay mampitondra mavesatra ny iray aminareo

"Niasa mafy izahay mba hahavelona anay, mba tsy anohananao anay."