plt_tn/1sa/12/16.md

737 B

eto imasonareo izao

Ny teny hoe "maso" eto dia maneho ny firenen'Israely. DH: "eny ankalamanjana izay mety hahitan'ny firenen'Israely rehetra"

Moa ve tsy fotoam-pijinjana vary tritrika izao?

Fantatr'i Samoela fa fotoam-pinjinjana tamin'izany. Mampiasa fanontaniana fampisainana izy mba hanindriana fa tsy manorana matetika amin'izany fotoana izany, koa fantatry ny olona fa ny orana izay hanimba ny vokatra dia fitsarana avy amin'i Yaveh. DH: "Fotoam-pijinjana izao ary tsy manorana matetika amin'ny fotoana tahaka izao"

mba handefasany kotroka sy orana

Mangataka amin'i Yaveh mba hanafay an'Israely nohon'ny fangatahana mpanjaka tamin'ny fandefasana oram-baratra nandritra ny fotoam-pijinjana izay hamotika ny voa i Samoela.