771 B
771 B
omby vavy mampinono roa
"omby vavy manan'anaka izay mbola minono" Adikao araka ny ao amin'ny 6:7.
totozy
Adikao araka ny ao amin'ny 6:3 io.
fivontosana
Ireo mety hoe heviny dia 1) fivontosana anaty hoditra mangirifiry na 2) hemoroida (fipotsahan'ny tsinaim-body). Adikao araka ny ao amin'ny 5:6.
Nandeha nahitsy tany amin'ny lalana mizotra any Beti-semesy ireo omby vavy
Raha ny tena izy dia tokony hiverina any amin'ny zanany ny omby vavy, kanefa ireto omby ireto dia nankany Beti-semesy.
nimàma teny am-pandehanana
Ny hoe mimàma dia ilazana ny feo avoakan'ny omby.
ary tsy nivilivily na tany ankavanana na tany ankavia
"tsy nivilivily tamin'ny lalam-be ireo." Io dia azo atao hoe DH: "nijanona tamin'ny lalam-be ireo" na "nizotra nahitsy ireo"