plt_tn/1pe/05/05.md

24 lines
1.1 KiB
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
I Petera dia manome torolalana manokana ho an'ireo lehilahy tanora ary avy eo manohy ny fampianarany amin'ireo mpino rehetra.
# Tahaka izany koa
Izany dia miverina milaza ny fomba nanekena ireo loholona ho lehiben'ny mpiandry ondry.
# Ianareo rehetra
Izany dia milaza an'ireo mpino rehetra, fa tsy lehilahy tanora fotsiny
# tafio fanetren-tena ny tenanareo
I Paoly dia miresaka momba ny fananana toetra tsara ny fanetren-tena tahaka ny fametrahana akanjo fitondra. DH: "manetre-tena eo amin'ny tsirairay" na "miasa amin'ny fanetren-tena"
# ambanin'ny tana-maherin'Andriamanitra
Eto ny teny hoe "Tanana" dia milaza ny herin'Andriamanitra mba hamonjena ny manetri-tena ary manasazy ny mpirehareha. DH: "ambanin'ny herin'Andriamanitra lehibe" na "anatrehan'Andriamanitra, tonga saina fa manana hery lehibe izy"
# Apetraho eo aminy ny fanahianareo rehetra
I Paoly dia miresaka momba ny fanahiana tahaka ny hoe zavatra mavesatra izay apetrakin'ny olona iray eo amin'Andriamanitra, fa tsy mitondra izany, DH: "minoa azy amin'izay rehetra mampahory anareo" na "aoka izy hikarakara ny zavatra rehetra izay manahirana anareo"