plt_tn/1pe/04/07.md

28 lines
1.1 KiB
Markdown

# Manakaiky ny faran'ny zavatra rehetra
Izany dia maneho ny faran'izao tontolo izao amin'ny fahatongavan'i Kristy fanindroany.
# Manakaiky
hiseho tsy ho ela.
# tongava saina, ary mahonona tena amin'ny eritreritrareo
Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy dika. Mampiasa azy ireo miaraka i Petera mba hanantitraterana ny filàna fisainana mazava momba ny fiainana satria efa akaiky ny faran'izao tontolo izao.
# ary mahonona tena amin'ny eritreritrareo
Eto ny teny hoe: "mahonona tena" dia maneho ny fahazavan-tsaina sy fahamailoana. DH: "fehezo ny eritreritrareo" na "mitandrema ny amin'izay eritreretinareo." Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 1:13.
# Ambonin'ny zavatra rehetra
"Manan-danja indrindra amin'ny rehetra"
# fa ny fitiavana mandrakotra fahotana maro
Petera dia mamaritra ny "fitiavana" toy ny hoe olona izay mandrakotra lamba amin'ny fahotan'ny hafa. Ireo mety ho dikany 1) "fa ny olona izay tia dia tsy hijery raha nanota ny olona hafa" na 2) "fa ny olona izay tia dia mamela ny fahotan'ireo hafa, na dia betsaka aza ny fahotan'izy ireo"
# Mifampiantranoa
manehoa hatsaram-panahy ary ampiantranoy ireo vahiny sy ireo mpandalo.