plt_tn/1pe/03/08.md

935 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Manomboka miresaka amin'ireo mpino rehetra indray i Petera.

hiray saina

"hanana hevitra mitovy" na "hanana toetra mitovy

ho tso-po

Ilazana fitiavana mafonja ho an'ireo olona hafa io.

Aza mamaly ratsy ny ratsy na manevateva ny mpanevateva

Ny famaliana ny nataon'ny olona hafa dia resahin'i Petera toy ny hoe mamerina ny tambin'ireo asa ireo ihany. DH: "Aza manao ratsy ireo izay manao ratsy aminareo na manevateva izay manevateva anareo"

mitahia hatrany

Azonao atao mazava ny famenon'izany fitahiana izany. DH: "mitahia hatrany ireo izay manao ratsy aminareo na manevateva anareo"

fa noho izany no niantsoana anareo

Azo atao hoe DH: "izany no niantsoan'Andriamanitra anareo"

mba hahafahanareo mandova ny fitahiana

Ataon'i Petera toy ny hoe mandray lova ny fandraisana ny fitahian'Andriamanitra. DH: "mba handraisanareo ny fitahian'Andriamanitra ho fanananareo maharitra"