plt_tn/1pe/01/03.md

1.4 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Petera manomboka miresaka momba ny famonjena ireo mpino sy ny finoana. Eto izy dia mamelabelatra sarin-teny izay hiresahana ny fampanantenan'Andriamanitra fa hatao ho an'ireo mpino rehetra toy ny hoe lova izay atolony azy ireo izany.

Jesosy Kristy Tompontsika ... fahaterahana vaovao

Ny teny hoe ''antsika'' sy ''isika'' dia maneho an'i Petera sy ireo izay hanoratany.

nanomezany antsika fahaterahana vaovao

''izy no nahatonga antsika ho ateraka indray"

fahatokisan'ny lova

DH: ''mba hanantena handray lova am-pahatokiana"

lova

Ny fandraisana izay nampanantenain' Andriamanitra an'ireo mpino dia resahina toy ny hoe mandova fananana sy harena avy amin'ny mpikambana iray ao amin'ny fianakaviana.

tsy ho faty, tsy ho simba, tsy ho levona

Petera mampiasa fehezanteny telo mitovitovy mba hamaritana ny lova toy ny zavatra izay tonga lafatra sy mandrakizay.

Izany dia voatokana ho anareo any an-danitra

DH: ''Andriamanitra dia manokana izany any an-danitra ho anareo''

Ianareo dia arovan'ny herin'Andriamanitra

DH: ''Miaro anareo Andriamanitra"

ny herin'Andriamanitra

Eto ny ''hery'' dia fomba iray hilazana fa matanjaka sy afaka hiaro ireo mpino Andriamanitra.

amin'ny alalan'ny finoana

Eto ny ''finoana'' dia maneho ny fahatokisan'ireo mpino an'i Kristy. DH: "nohon'ny finoanareo"

izay efa vonona ho ambara

DH: "izay efa vonona ho ambaran'Andriamanitra"