plt_tn/1th/05/08.md

28 lines
1.2 KiB
Markdown
Raw Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Ao amin'ny andininy 8-10 ny teny hoe: "isika" dia manondro ireo mpino rehetra.
# An'ny andro isika
Paoly dia miresaka momba ny fahafantarana ny fahamarinana mahakasika an'Andriamanitra toy ny an'ny andro. DH: "fantatsika ny marina" na "nandray ny fahazavan'ny fahamarinana isika."
# Tsy maintsy mahonon-tena isika
Paoly dia mampitaha ny fahononan-tena ho toy ny fizarana amin'ny fifehezan-tena. "Aoka isika hizatra hamehy tena."
# Mitafy finoana sy fitiavana ho fiarovan-tratra
Toy ny miaramila izay manao fiarovan-tratra mba hiarovana ny vatany, ny mpino iray izay miaina amin'ny finoana sy fitiavana dia ahita fiarovana. DH: "arovy amin'ny finoana sy fitiavana ny tenantsika" na "arovy ny tenantsika amin'ny finoana an'i Kristy sy fitiavana azy."
# Antoky ny famonjena amin'ny ho avy ho fiarovan-dohantsika
Toy ny fiarovan-doha izay miaro ny lohan'ny miaramila, ny fanantenana ny famonjena dia hiaro ny mpino. DH: "arovy ny tenantsika amin'ny fahazoana antoka fa i Kristy dia hamonjy antsika."
# Na mifoha isika na matory
Izany dia fomba tsara hitenenana fa velona na maty. DH: "na velona isika na maty."
# Mifampahereza ianareo
"Mifampahatanjaha."