# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Ao amin'ny andininy 8-10 ny teny hoe: "isika" dia manondro ireo mpino rehetra. # An'ny andro isika Paoly dia miresaka momba ny fahafantarana ny fahamarinana mahakasika an'Andriamanitra toy ny an'ny andro. DH: "fantatsika ny marina" na "nandray ny fahazavan'ny fahamarinana isika." # Tsy maintsy mahonon-tena isika Paoly dia mampitaha ny fahononan-tena ho toy ny fizarana amin'ny fifehezan-tena. "Aoka isika hizatra hamehy tena." # Mitafy finoana sy fitiavana ho fiarovan-tratra Toy ny miaramila izay manao fiarovan-tratra mba hiarovana ny vatany, ny mpino iray izay miaina amin'ny finoana sy fitiavana dia ahita fiarovana. DH: "arovy amin'ny finoana sy fitiavana ny tenantsika" na "arovy ny tenantsika amin'ny finoana an'i Kristy sy fitiavana azy." # Antoky ny famonjena amin'ny ho avy ho fiarovan-dohantsika Toy ny fiarovan-doha izay miaro ny lohan'ny miaramila, ny fanantenana ny famonjena dia hiaro ny mpino. DH: "arovy ny tenantsika amin'ny fahazoana antoka fa i Kristy dia hamonjy antsika." # Na mifoha isika na matory Izany dia fomba tsara hitenenana fa velona na maty. DH: "na velona isika na maty." # Mifampahereza ianareo "Mifampahatanjaha."