40 lines
1.6 KiB
Markdown
40 lines
1.6 KiB
Markdown
|
# amin'ny fotoana izay hanekenao
|
||
|
|
||
|
"amin'ny fotoana ankasitrahanao" na "rehefa vonona Ianao"
|
||
|
|
||
|
# valio amin'ny fahamendreham-pitokian'ny famonjenao aho
|
||
|
|
||
|
Ny anarana "fahamendreham-pitokiana" sy "famonjena" dia azo ambara ho asa. DH: "vonjeo aho satria Ianao tia ahy amim-pahatokiana, araka ny nampanantenainao hatao" (UDB)
|
||
|
|
||
|
# Sintony ... aza avela ho difotra aho
|
||
|
|
||
|
Ireo andianteny roa ireo midika zavatra mitovy.
|
||
|
|
||
|
# Sintony avy ao amin'ny fotaka, ary aza avela ho difotra aho
|
||
|
|
||
|
Ny mpanoratra miteny ny loza hitranga aminy avy amin'ireo fahavalony toy ny hoe izy nilentika anaty honahona. "Aza avela hilentika anaty fotaka intsony aho" (UDB)
|
||
|
|
||
|
# aoka aho ho voaala lavitra
|
||
|
|
||
|
Eto ny "voaala lavitra" dia manondro ny hoe nesorina tamin'ny loza. DH: "esory aho amin'ny" na "avoty aho amin'ny"
|
||
|
|
||
|
# ny rano lalina ... ny tondra-drano ... ny lalina
|
||
|
|
||
|
Ireo andianteny ireo midika zavatra mitovy.
|
||
|
|
||
|
# voavonjy avy ao amin'ny rano lalina
|
||
|
|
||
|
Ny mpanoratra miteny momba ny loza hanjo azy avy amin'ireo fahavalony tahaka ny hoe izy safotry ny rano lalina.
|
||
|
|
||
|
# handifotra ahy ny tondra-drano
|
||
|
|
||
|
Ny mpanoratra miteny momba ny loza hanjo azy avy amin'ireo fahavalony toy ny hoe tondra-drano no nandifotra azy tanteraka.
|
||
|
|
||
|
# ny lalina hitelina ahy
|
||
|
|
||
|
Ny mpanoratra miteny ny lalina ho toy ny bibymahafaty efa mby hihinana azy. DH: "ny rano lalina hitelina ahy tahaka ny biby mandoza"
|
||
|
|
||
|
# Aza avela hanidy ny vavany amiko ny lavaka
|
||
|
|
||
|
Eto ny "lavaka" dia lazaina toy ny hoe manam-bava tahaka ny olombelona ary afaka mandrapaka ny mpanoratra. DH: "Aza avela handevona ahy ny lavaka" na "Aza avela hikatona eo amboniko ny lavaky ny fahafatesana"
|