plt_tn/psa/033/004.md

20 lines
795 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Ny andininy tsirairay dia misy fehezanteny roa avy izay tena mifandraika ara-kevitra.
# mahitsy ny tenin'i Yaveh
Eto ny "mahitsy" dia ampiasaina ho sarinteny ho an'ny zavatra izay tena marina. DH: "Yaveh manatanteraka izay lazainy fa ho ataony mandrakariva"
# Tia fahamarinana sy rariny Izy
Ireo anarana ireo dia azo ambara ho fihetsika. DH: "Tia manao izay marina sy mahitsy Izy" na "Tia ireo izay manao ny marina sy mahitsy Izy"
# Heniky ny famindram-pon'i Yaveh ny tany
Eto ny "Henika ny tany" dia fomba fiteny izay midika fa afaka jerena manerana ny tany rehetra ny famindrampony. DH: "Ny famindrampon'i Yaveh dia afaka andramana manerana ny tany rehetra"
# tamin'ny fofonain'ny vavany
Ity dia manondro ny tenin'i Yaveh. DH: "tamin'ny teniny"