# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Ny andininy tsirairay dia misy fehezanteny roa avy izay tena mifandraika ara-kevitra. # mahitsy ny tenin'i Yaveh Eto ny "mahitsy" dia ampiasaina ho sarinteny ho an'ny zavatra izay tena marina. DH: "Yaveh manatanteraka izay lazainy fa ho ataony mandrakariva" # Tia fahamarinana sy rariny Izy Ireo anarana ireo dia azo ambara ho fihetsika. DH: "Tia manao izay marina sy mahitsy Izy" na "Tia ireo izay manao ny marina sy mahitsy Izy" # Heniky ny famindram-pon'i Yaveh ny tany Eto ny "Henika ny tany" dia fomba fiteny izay midika fa afaka jerena manerana ny tany rehetra ny famindrampony. DH: "Ny famindrampon'i Yaveh dia afaka andramana manerana ny tany rehetra" # tamin'ny fofonain'ny vavany Ity dia manondro ny tenin'i Yaveh. DH: "tamin'ny teniny"