plt_tn/pro/04/18.md

24 lines
1.5 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# ny lalan'ny olo-marina ... Ny lalan'ny ratsy fanahy
Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe "lalana" andehanan'ny olona ny asa sy ny fomba fiainan'ny olo-marina sy ny ratsy fanahy. DH: "ny fomba fiainan'ny olo-marina ... Ny fomba fiainan'ny ratsy fanahy"
# ny lalan'ny olo-marina dia toy ny hazavana voalohany izay mihamazava
Ampitahain'ny mpanoratra amin'ny fiposahan'ny masoandro ny lalan'ny olo-marina, izay midika fa milamina izy ireo satria manana fahazavana hitsilo izay alehany izy ireo. DH: "mandeha amin'ny lalany am-pilaminana ny olo-marina satria mamiratra amin'izany ny masoandron'ny maraina ary mihamazava"
# hazavana voalohany
Entina ilazana ny andro vao mangiran-dratsy io na ny fiposaha-masoandro
# mandra-pihavian'ny andro mazava
Entina ilazana ny fotoana amin'ny andro izay mampazava ny masoandro indrindra io. DH: "mandra-pamiratry ny masoandro indrindra" na "hatramin'ny fahazavan'ny mitataovovonana"
# Ny lalan'ny ratsy fanahy dia toy ny aizina
Ampitahain'ny mpanoratra amin'ny aizina ny fomban'ny ratsy fanahy, izay midika fa ambava-loza mandrakariva izy ireo satria tsy manana fahazavana hitsilo izay alehany. DH: "Mandeha ambava-loza amin'ny lalany ireo olona ratsy fanahy satria tsy manana fahazavana mba hahafahan'izy ireo mahita"
# tsy fantatr'izy ireo izay manafintohina azy ireo
Ny fiainana faharariana dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe tafintohina amin'ny zavatra eny amin'ny lalana izay alehan'ilay olona izany. DH: "tsy fantany hoe nahoana izy ireo no miaina faharariana sy vitan-dratsy"