# ny lalan'ny olo-marina ... Ny lalan'ny ratsy fanahy Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe "lalana" andehanan'ny olona ny asa sy ny fomba fiainan'ny olo-marina sy ny ratsy fanahy. DH: "ny fomba fiainan'ny olo-marina ... Ny fomba fiainan'ny ratsy fanahy" # ny lalan'ny olo-marina dia toy ny hazavana voalohany izay mihamazava Ampitahain'ny mpanoratra amin'ny fiposahan'ny masoandro ny lalan'ny olo-marina, izay midika fa milamina izy ireo satria manana fahazavana hitsilo izay alehany izy ireo. DH: "mandeha amin'ny lalany am-pilaminana ny olo-marina satria mamiratra amin'izany ny masoandron'ny maraina ary mihamazava" # hazavana voalohany Entina ilazana ny andro vao mangiran-dratsy io na ny fiposaha-masoandro # mandra-pihavian'ny andro mazava Entina ilazana ny fotoana amin'ny andro izay mampazava ny masoandro indrindra io. DH: "mandra-pamiratry ny masoandro indrindra" na "hatramin'ny fahazavan'ny mitataovovonana" # Ny lalan'ny ratsy fanahy dia toy ny aizina Ampitahain'ny mpanoratra amin'ny aizina ny fomban'ny ratsy fanahy, izay midika fa ambava-loza mandrakariva izy ireo satria tsy manana fahazavana hitsilo izay alehany. DH: "Mandeha ambava-loza amin'ny lalany ireo olona ratsy fanahy satria tsy manana fahazavana mba hahafahan'izy ireo mahita" # tsy fantatr'izy ireo izay manafintohina azy ireo Ny fiainana faharariana dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe tafintohina amin'ny zavatra eny amin'ny lalana izay alehan'ilay olona izany. DH: "tsy fantany hoe nahoana izy ireo no miaina faharariana sy vitan-dratsy"