plt_tn/mrk/10/17.md

20 lines
1.0 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:22:03 +00:00
# mba handovàko ny fiainana mandrakizay
Eto ilay lehilahy dia miresaka ny "fahazoana" toy ny hoe: "fandovàna." Sarinteny ampiasaina mba hanasongadinana ny lanjan'ny fandovàna. Ary ihany koa, ny "fandovàna" eto dia tsy midika hoe maty aloha ny olona iray. DH: "mba hahazoana ny fiainana mandrakizay"
# Nahoana no antsoinao hoe tsara Aho? Tsy misy tsara, afa-tsy Andriamanitra irery ihany
Jesosy dia manontany an'ilay lehilahy raha tonga saina izy fa ny fiantsoana an'i Jesosy hoe "tsara" dia maneho fa Andriamanitra Jesosy. DH: "Fantatrao fa tsy misy tsara afa-tsy Andriamanitra irery ihany. Nahoana ianao no miantso Ahy hoe tsara?" na "Ianao mahafantatra fa tsy misy tsara afa-tsy Andriamanitra irery ihany. Fantatrao ve ny dikan'izay lazainao rehefa miantso Ahy hoe tsara ianao?"
# tsara, afa-tsy Andriamanitra irery ihany
"tsara. Andriamanitra irery no tsara"
# Aza mijoro ho vavolombelona tsy marina
"Aza mijoro ho vavolombelona tsy marina na amin'iza na amin'iza" na "aza mandainga momba ny olona any amin'ny fitsarana"
# hajao
Midika hoe mankato