# mba handovàko ny fiainana mandrakizay Eto ilay lehilahy dia miresaka ny "fahazoana" toy ny hoe: "fandovàna." Sarinteny ampiasaina mba hanasongadinana ny lanjan'ny fandovàna. Ary ihany koa, ny "fandovàna" eto dia tsy midika hoe maty aloha ny olona iray. DH: "mba hahazoana ny fiainana mandrakizay" # Nahoana no antsoinao hoe tsara Aho? Tsy misy tsara, afa-tsy Andriamanitra irery ihany Jesosy dia manontany an'ilay lehilahy raha tonga saina izy fa ny fiantsoana an'i Jesosy hoe "tsara" dia maneho fa Andriamanitra Jesosy. DH: "Fantatrao fa tsy misy tsara afa-tsy Andriamanitra irery ihany. Nahoana ianao no miantso Ahy hoe tsara?" na "Ianao mahafantatra fa tsy misy tsara afa-tsy Andriamanitra irery ihany. Fantatrao ve ny dikan'izay lazainao rehefa miantso Ahy hoe tsara ianao?" # tsara, afa-tsy Andriamanitra irery ihany "tsara. Andriamanitra irery no tsara" # Aza mijoro ho vavolombelona tsy marina "Aza mijoro ho vavolombelona tsy marina na amin'iza na amin'iza" na "aza mandainga momba ny olona any amin'ny fitsarana" # hajao Midika hoe mankato