plt_tn/mat/15/01.md

20 lines
1.2 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:22:03 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Mivadika makany amin'ny tranga izay niseho fotoana kely taorian'ireo tranga tao amin'ny toko teo aloha ny tantara. Eto i Jesosy dia mamaly ny fanakianan'ireo Fariseo.
# Nahoana ireo mpianatrao no mandika ny fomban-drazan'ireo zoky olona?
Ampiasain'ireo Fariseo sy ireo mpanora-dalàna io fanontaniana io mba hitsikerana an'i Jesosy sy ireo mpianany. DH: "Tsy manaja ireo fitsipika izay nomen'ny razambenay ireo mpianatrao"
# fomban-drazan'ireo zoky olona
Tsy mitovy amin'ny lalàn'ny Mosesy io. Manambara ireo fampianarana sy hevitra momba ny lalàna taty aoriana izay nomen'ny mpitarika fivavahana taorian'i Mosesy io.
# tsy manasa ny tanany izy ireo
Ity fisasana ity dia tsy fanasan-tanana fotsiny. Ilazana ny fomba fisasana araka ny fomban-drazan'ireo zoky olona izany. DH: "izy ireo dia tsy manasa ny tanan'izy ireo araka ny tokony ho izy"
# Koa nahoana ary ianareo no mandika ny lalàn'Andriamanitra nohon'ny fomban-drazanareo?
Mamaly amin'ny fanontaniana i Jesosy mba hitsikerana ny ataon'ireo mpitarika fivavahana. DH: "Ary hitako fa tsy manaiky ny hankatoa ny didin'Andriamanitra ianareo mba hahafahanareo manaraka izay nampianarin'ny razambenareo anareo!"