# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Mivadika makany amin'ny tranga izay niseho fotoana kely taorian'ireo tranga tao amin'ny toko teo aloha ny tantara. Eto i Jesosy dia mamaly ny fanakianan'ireo Fariseo. # Nahoana ireo mpianatrao no mandika ny fomban-drazan'ireo zoky olona? Ampiasain'ireo Fariseo sy ireo mpanora-dalàna io fanontaniana io mba hitsikerana an'i Jesosy sy ireo mpianany. DH: "Tsy manaja ireo fitsipika izay nomen'ny razambenay ireo mpianatrao" # fomban-drazan'ireo zoky olona Tsy mitovy amin'ny lalàn'ny Mosesy io. Manambara ireo fampianarana sy hevitra momba ny lalàna taty aoriana izay nomen'ny mpitarika fivavahana taorian'i Mosesy io. # tsy manasa ny tanany izy ireo Ity fisasana ity dia tsy fanasan-tanana fotsiny. Ilazana ny fomba fisasana araka ny fomban-drazan'ireo zoky olona izany. DH: "izy ireo dia tsy manasa ny tanan'izy ireo araka ny tokony ho izy" # Koa nahoana ary ianareo no mandika ny lalàn'Andriamanitra nohon'ny fomban-drazanareo? Mamaly amin'ny fanontaniana i Jesosy mba hitsikerana ny ataon'ireo mpitarika fivavahana. DH: "Ary hitako fa tsy manaiky ny hankatoa ny didin'Andriamanitra ianareo mba hahafahanareo manaraka izay nampianarin'ny razambenareo anareo!"