36 lines
1.5 KiB
Markdown
36 lines
1.5 KiB
Markdown
|
# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
|
||
|
|
||
|
Manohy mananatra ireo mpanora-dalàna sy ireo Fariseo i Jesosy.
|
||
|
|
||
|
# Rehefa nisy fanahy ratsy ... ity taranaka ratsy fanahy ity
|
||
|
|
||
|
Milaza fanoharana i Jeosy mba hampitandremana ny amin'ny fahalozan'ny tsy finoana Azy.
|
||
|
|
||
|
# tany karakaina
|
||
|
|
||
|
"toerana maina" na "toerana izay tsy misy olona mipetraka"
|
||
|
|
||
|
# nefa tsy mahita izany
|
||
|
|
||
|
Eto ny "izany" dia ilazana ilay fitsaharana.
|
||
|
|
||
|
# Izany dia milaza hoe: 'Hiverina any amin'ny tranoko izay niaviako aho.'
|
||
|
|
||
|
Azo adika toy izao io DH: "Noho izany, dia manapa-kevitra ny hiverina any amin'ny trano izay niaviany ilay fanahy maloto"
|
||
|
|
||
|
# tranoko izay niaviako
|
||
|
|
||
|
Sarin-teny ilazana olona iray izay nitoeran'ilay fanahy maloto io. DH: "any amin'ny toerana nialako"
|
||
|
|
||
|
# nahita fa voafafa ny trano ary nilamina
|
||
|
|
||
|
Azo atao hoe DH: "hitan'ilay fanahy maloto fa nisy olona namafa madio ilay trano ary nisy namerina ny zavatra rehetra tamin'ny laoniny"
|
||
|
|
||
|
# voafafa ny trano ary nilamina
|
||
|
|
||
|
Eto indray, ny "trano" dia sarin-teny ilazana ilay olona izay nitoeran'ilay fanahy maloto. Eto, ny hoe "voafafa sy nilamina" dia manolo-kevitra fa tsy misy mipetraka ao amin'ilay trano. Ny tian'i Jesosy ambara dia hoe: rehefa miala amin'olona iray ny fanahy maloto, dia tsy maintsy manasa ny Fanahy Masina hitoetra ao aminy izy raha tsy izany dia hiverina ilay demonia.
|
||
|
|
||
|
# ho tahaka izany koa ny amin'ity taranaka ratsy fanahy ity
|
||
|
|
||
|
Midika izany fa raha tsy mino Azy ary tonga mpianany ireo olona tamin'ny andron'i Jesosy, dia ho ratsy lavitra ny toe-javatra hiainan'izy ireo alohan'ny hahatongavany.
|