# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Manohy mananatra ireo mpanora-dalàna sy ireo Fariseo i Jesosy. # Rehefa nisy fanahy ratsy ... ity taranaka ratsy fanahy ity Milaza fanoharana i Jeosy mba hampitandremana ny amin'ny fahalozan'ny tsy finoana Azy. # tany karakaina "toerana maina" na "toerana izay tsy misy olona mipetraka" # nefa tsy mahita izany Eto ny "izany" dia ilazana ilay fitsaharana. # Izany dia milaza hoe: 'Hiverina any amin'ny tranoko izay niaviako aho.' Azo adika toy izao io DH: "Noho izany, dia manapa-kevitra ny hiverina any amin'ny trano izay niaviany ilay fanahy maloto" # tranoko izay niaviako Sarin-teny ilazana olona iray izay nitoeran'ilay fanahy maloto io. DH: "any amin'ny toerana nialako" # nahita fa voafafa ny trano ary nilamina Azo atao hoe DH: "hitan'ilay fanahy maloto fa nisy olona namafa madio ilay trano ary nisy namerina ny zavatra rehetra tamin'ny laoniny" # voafafa ny trano ary nilamina Eto indray, ny "trano" dia sarin-teny ilazana ilay olona izay nitoeran'ilay fanahy maloto. Eto, ny hoe "voafafa sy nilamina" dia manolo-kevitra fa tsy misy mipetraka ao amin'ilay trano. Ny tian'i Jesosy ambara dia hoe: rehefa miala amin'olona iray ny fanahy maloto, dia tsy maintsy manasa ny Fanahy Masina hitoetra ao aminy izy raha tsy izany dia hiverina ilay demonia. # ho tahaka izany koa ny amin'ity taranaka ratsy fanahy ity Midika izany fa raha tsy mino Azy ary tonga mpianany ireo olona tamin'ny andron'i Jesosy, dia ho ratsy lavitra ny toe-javatra hiainan'izy ireo alohan'ny hahatongavany.