plt_tn/luk/23/11.md

12 lines
674 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# nampiankanjo Azy lamba tsara tarehy
Ny fandikan-teny dia tokony tsy hilaza fa natao hanomezam-boninahitra na hikarakarana an'i Jesosy ity. Nataon'izy ireo hanesoana an'i Jesosy sy hihomehezana Azy ity.
# Heroda sy Pilato dia lasa mpinamana tamin'ny androtr'io
Ny fanazavana tiana hambarana dia hoe lasa mpinamana izy ireo satria nankasitrahan'i Heroda ny famelan'i Pilato azy mba hitsara an'i Jesosy. DH: ''Heroda sy Pilato dia lasa mpinamana tamin'io andro io satria nalefan'i Pilato tany amin'i Heroda mba ho tsaraina Jesosy''
# talohan'izany dia mpifahavalo izy ireo
Ity fanazavana ity dia natao anaty fononteny mba hampisehoana fa fampahafantarana fototra izany.