plt_tn/luk/12/01.md

28 lines
1.2 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
Ity no fizarana manaraka ao amin'ny tantara. Jesosy manomboka mampianatra ireo mpianany manoloanan'ny olona arivo.
# Tamin'izany
"Tamin'izy ireo nanao izany"
# rehefa niara-niangona ny vahoaka an'arivony maro ... nifanitsa-kitro izy ireo
Ity dia fampahafantarana amin'ny ankapobeny izay milaza ny fizotry ny tantara.
# vahoaka an'arivony maro
"vahoaka maro be"
# nifanitsa-kitro izy ireo
Ity dia fanatomboana resaka mba hilazana ny habetsaky ny vahoaka teo. DH: "nifanitsaka izy ireo"
# voalohany indrindra dia nanomboka niteny tamin'ireo mpianany Izy hoe
"Nanomboka niresaka tamin'ireo mpianany aloha Jesosy, ary niteny tamin'izy ireo"
# Tandremo ny masirasiran'ireo Fariseo, izay fiatsarambelatsihy
Toy ny hiparitahan'ny masirasira amin'ny vonga-mofo koba manontolo, no niparitahan'ny fiatsarambelatsihin'izy ireo tamin'ny fiaraha-monina iray manontolo. DH: "Ambeno amin'ny fiatsarambelatsihin'ireo Fariseo izay toy ny masirasira ny tenanareo" na "Mitandrema mba tsy ho lasa mpiatsaravelatsihy tahaka an'ireo Fariseo. Ny fitondran-tena ratsin'izy ireo dia misarika ny olona toy ny fiantraikan'ny masirasira amin'ny vonga-mofo koba."