plt_tn/eph/02/11.md

32 lines
1.1 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fampifandraisana ny foto-kevitra
Paoly mampatsiahy ireo mpino ireo fa nampiraisin'Andriamanitra ho amin'ny vatana iray ireo Jentilisa sy Jiosy ankehitriny tamin'ny alalan'i Kristy sy ny hazofijaliany.
# Jentilisa tao amin'ny nofo
Ity dia maneho ny olona izay tsy teraka Jiosy.
# tsy voafora
Ireo olona tsy Jiosy dia tsy voafora toy ny zazakely ary noho izany dia noheverin'ireo Jiosy ho tsy manaraka ny lalàn'Andriamanitra izy ireo. DH: ''jentilisa tsy voafora''
# voafora
Ity dia teny hafa ho an'ny olona Jiosy satria ny zazalahy rehetra dia noforaina tamin'izy ireo 8 taona. DH: ''olona voafora''
# tafasaraka tamin'i Kristy
''tsy mpino''
# eo amin'ireo izay antsoina hoe ''voafora'' ao amin'ny nofo nataon'ny tanan'olombelona
Ireo dika azo atao: 1) ''Ireo Jiosy, izay voaforan'ny olombelona'' na 2) ''Ireo Jiosy, izay mamora ny ara-nofo''
# izay antsoina hoe
DH: ''izay antsoin'ny olona''
# vahiny tamin'ny faneken'ny fampanantenana ianareo
Paoly miresaka ireo mpino Jentilisa toy ny hoe vahiny izy ireo, nijaona avy tany amin'ny tanin'ny fanekena sy fampanantenan' Andriamanitra.